Somary mahagaga ihany ny mahita ireo olona mbola sahy mipetraka amin'ireny toerana iva eto andranivohitra ireny aminizao andro fahavaratra izao! Hatahorana tokoa mantsy aminizao ny fiakaran'ny rano aminireny toerana ireny indrindra aminizao orana misesy izao. Ao ireo trano miorina eny antanimbary, anaty toerana misy rano mihitsy aza indraindray. Tsy manahy tokoa ve izy ireo amin'ny mety ho fiantraikan'izany sa dia eo tokoa no mba hany toerana azony ipetrahana? Ao ireo milaza fa tsy mahafoy ny toeram-ponenany sy ireo fananany! dia sahy mirisika mijanona ao na dia efa alohalika aza ny ranom-bary hoy ny fitenenana! Raha ny fomaba fijeriko manokana dia tsy tokony hanorenana trano aminireny toerana iva ireny ary tokony hosaziana izay sahy mandika izany mba ho fisorohana ny loza mety hitranga sy ho fitandrovana ny ainy. Aminizay mba tsy hisy intsony ny hoe tra-boina e!